Luke 4

1Taorian’izany Jesosy, rehefa feno ny Fanahy Masina, dia niverina avy tany amin’ny reniranon’i Jordana, ary nentin’ny Fanahy Masina tany an’efitra 2izay nakan’ny devoly fanahy Azy nandritry ny efapolo andro. Tsy nihinana na inona na inona Izy nandritra ireo andro ireo, ary tamin’ny fotoana farany dia noana Izy.

3Ny devoly niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra Ianao, dia didio ho lasa mofo io vato io.” 4Jesosy namaly azy hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona.”’

5Avy eo nentin’ny devoly teny amin’ny toerana avo Jesosy ary nasehony Azy vetivety avokoa ny fanjakana rehetran’izao tontolo izao. 6Ny devoly niteny taminy hoe: “Homeko anao ny fahefana rehetra sy ny famirapiratany rehetra, satria efa nomena ahy ireo, ary afaka omeko ny olona izay tiako omena azy. 7Noho izany, raha miankohoka sy manompo ahy Ianao, dia ho lasanao izany.”

8Kanefa Jesosy namaly ka niteny azy hoe: “Voasoratra hoe: ‘Hidera ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary Izy irery ihany no ho tompoinao.’”

9Avy eo ny devoly dia nitondra an’i Jesosy tany Jerosalema ary nataony teny amin’ny fara-tampon’ny tempoly, ary niteny taminy hoe: “Raha zanak’Andriamanitra Ianao, dia azerao avy ety ny tenenao. 10Satria efa voasoratra hoe: ‘Hibaiko ny anjeliny ny aminao Izy, mba hiaro anao,’ 11ary, ‘Izy ireo hanandratra anao amin’ny tanany, mba tsy ho tafitohan’ny vato ny tongotrao.’”

12Namaly azy, Jesosy niteny hoe: “Efa nambara hoe: ‘Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.”’ 13Rehefa vita ny fangalan’ny devoly fanahy an’i Jesosy, dia lasa izy ary nandao Azy ambara pahatongan’ny fotoana hafa.

14Avy eo Jesosy niverina tany Galilia tamin’ny herin’ny Fanahy, ary ny vaovao momba Azy dia efa niely nanerana ny faritra manodidina rehetra. 15Dia nanomboka nampianatra tao amin’ny Synagogan’izy ireo Izy ary noderain’ny rehetra.

16Nandeha tany Nazareta Izy, ilay tanana nahalehibe azy, ary araka ny fomba fanaony, dia niditra tao amin’ny Synagoga tamin’ny andro Sabata Izy ka nitsangana mba hamaky teny mafy. 17Natolotra azy ny horonan-taratasin’Isaia mpaminany. Nosokafany ilay boky ary hitany ny toerana nanoratana azy,

18“Ny Fanahin’ny Tompo dia ato amiko, satria Izy nanosotra ahy hilaza ny vaovao mahafaly ho an’ny mahantra. Izy no nandefa ahy hanambara fahafahana ho an’ireo babo, ary hamerina ny fahitana ho an’ny jamba, hanafaka ireo izay ampahoriana, 19hanambara ny taom-pankasitrahan’Andriamanitra.”

20Avy eo dia naoriny ny taratasy, naveriny tany amin’ny mpitandrina, ary nipetraka Izy. Ny mason’ireo rehetra tao amin’ny Synagoga dia nibanjina Azy. 21Nanomboka niresaka tamin’izy ireo Izy hoe: “Androany ity Soratra Masina ity dia tanteraka eo am-pihainoanareo.” 22Ny rehetra tao dia nilaza tsara ny momba Azy ary gaga tamin’ny tenim-pahasoavana izay naloaky ny vavany izy ireo, ary nanontany Izy ireo hoe: “Fa tsy ilay zanak’i Josefa ve ity?”

23Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Azo antoka fa hilaza ity ohabolana ity amiko ianareo hoe: ‘Dokotera, sitrano ny tenanao. Na inona na inona renay fa nataonao tao Kapernaomy, dia manoava toy izany any amin’ny taninao.”’ 24Nefa niteny Izy hoe: “Lazaiko marina aminareo, tsy misy mpaminany voaray ao amin’ny taniny.

25Kanefa lazaiko marina aminareo fa maro ny vehivavy mpitondra-tena tany Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihidy ny lanitra nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ary nisy mosary lehibe tonga teo amin’ny tany rehetra. 26Nefa Elia tsy nalefa na tamin’iray tamin’izy ireo aza, fa tao Zerapata any Sidona ihany, tany amin’ny mpitondra tena izay nipetraka tany. 27Fa maro ireo boka tao Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza sitrana afa-tsy Namàna ilay Syriana.”

28Ny olona rehetra tao amin’ny Synagoga dia heniky ny hatezerana rehefa nandre ireo zavatra ireo. 29Nitsangana izy ireo, nanery Azy hiala ny tanàna, ary nandefa Azy teny an-tampon’ny havoana izay niorenan’ny tananan’izy ireo, mba hanjerana Azy amin’ny hantsana. 30Nefa nandeha namakivaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa nandeha tany amin’ny toeran-kafa.

31Avy eo Izy dia nidina tany Kapernaomy, tanàna iray any Galilia, ary nanomboka nampianatra azy ireo tamin’ny Sabata Izy. 32Izy ireo dia nitolagaga tamin’ny fampianarana nataony, satria niteny tamin’ny fahefana Izy.

33Ary tao amin’ny Synagoga dia nisy lehilahy izay nitoeran’ny fanahy maloton’ny demonia, ary izy dia nihikiaka tamin’ny feo mafy hoe: 34“Ah! Inona no ifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga mba hamotika anay ve Ianao? Fantatro hoe iza Ianao - ilay Iray Masin’Andriamanitra!”

35Jesosy niteny mafy ilay demony, ka nanao hoe: “Aza miteny ary mialà ao aminy!‘’ Rehefa nanipy ilay lehilahy hianjera teo afovoan’izy ireo ny demony, dia niala tao aminy, ary tsy nandratra azy akory. 36Nitologaga avokoa ny olona rehetra, ary nanohy nifampiresaka ny momba izany. Niteny izy ireo hoe: “Fa teny toy ny ahoana re izany?” Baikoiny amin’ny fahefana sy hery ny fanahy maloto dia mivoaka.” 37Noho izany dia nanomboka niely nanerana ny faritra manodidina ny lazany.

38Dia nandao ny synagoga Jesosy ary niditra tao an-tranon’i Simona. Ary nampijalian’ny tazo mahery ny rafozam-bavin’i Simona, ary niangavy taminy ho azy izy ireo. 39Ka nijoro teo anoloany Izy ary niteny mafy ny tazo, dia niala taminy izany. Avy hatrany izy dia nitsangana ary nanomboka nanompo azy ireo.

40Rehefa nilentika ny masoandro, dia nitondra ny olon-drehetra nararin’ny aretina maro samihafa teo amin’ny Jesosy ny olona. Nametra-tanana tamin’ny tsirariray avy amin’izy ireo Izy ka nanasitrana azy ireo. 41Ireo demony ihany koa dia niala tao amin’ny maro tamin’izy ireo, nihiakihaka mafy sy nilaza hoe: “Ianao no Zanak’Andriamanitra!” Jesosy niteny mafy ireo demonia ka tsy namela azy ireo hiteny, satria fantatr’izy ireo fa Izy no Kristy.

42Vao mangiran-dratsy, dia nandeha tany amin’ny toerana mangingina Izy. Vahoaka maro be no nitady Azy ary nakeny amin’ny toerana izay nisy Azy. Izy ireo dia niezaka ny nihazona Azy mba tsy hiala eo amin’izy ireo. 43Fa Izy niteny tamin’izy ireo hoe: “Tsy maintsy mitory ny vaovao mahafaly momba ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa ihany koa Aho, satria izany no antony nanirahina Ahy tety. Avy eo Izy dia nanohy nitory tao amin’ireo synagoga manerana an’i Jodia.

44

Copyright information for PltULB